SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny 6 sy 7 ary ny 22 sy 23 desambra ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny « Kids Game One ». Fifaninanana basikety ho an’olon-telo, sokajy U8 sy U10 ary ho an’olona dimy, sokajy U12 izy ity. Ankoatra izay, hisy koa ny fiofanana ho an’ny vonjy aina ho an’ny ankizy, ny mpanazatra ary ny mpijery.

Taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe Junior, natao tany Espagne, ny alahady lasa teo. Namoaka ny filaharan’ireo firenena ny Federasionina iraisam-pirenena ka voalohany amin’ireo firenena 29 nandray anjara, i Madagasikara, nahazo isa 65. Faharoa, Italie, manana isa 52 ary fahatelo, Thaïlande, isa 36.

Vonona hampiantrano ny fifaninanam-pirenena, taranja handball, sokajy Senior, lahy sy vavy, ny ligim-paritra Atsinanana. Fihaonana hotanterahina ny 30 oktobra ka hatramin’ny 9 novambra ho avy izao. Handray anjara amin’izany avokoa ireo ligim-paritra rehetra mandrafitra ny federasionina. Hiatrika ny CCCOI izay ekipa roa tafakatra amin’ny famaranana.

Partager sur: