Ilanivato Anosipatrana : Trano fiompiana akoho may kilan’ny afo

Nitrangana haintrano in­dray tetsy Ilanivato, ny afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny trano fitoerana sy fiompiana akoho avo karazana izay nahitana rihana telo. Levon’ny afo sy maty nandritra izany, ny akoho miisa 100. Tsy fantatra mazava ny antony nihavian’ny afo fa avy any ambony ny firehetana. Nahitana akoho avo karazana sy tamin’ireo biby fiompy 100 isa mahery, izay nahitana vorontsiloza fito sy akoho kely maro ary fitaovana. «Mahatratra 1 tapitrisa Ariary ny fatiantoka tamin’io trangana firehetana teny Ilanivato io», hoy Rakoto­ma­lala Njara Tafita, tomponandraikitra teny an-toerana. Niara-nientana namono ny afo ny fokonolona teny an-toerana, mandra-pahatongan’ny vondrona mpamonjy voina. Vaofehy tanteraka ny afo tamin’ny 10 ora sy 10 minitra alina.
Ankoatra izay, nitrangana firehetana ihany koa tetsy amin’ny orinasa Madasia Plas­tics etsy Amborompotsy Talatamaty, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Fifampikaso­hana herinaratra ny anton’ny loza, raha ny tatitra voaray tamin’ny manodidina teny an-toerana. Mahatratra 3 tapitrisa ariary ny fatiantoka tamin’io tranga io. Tsy nahazo nidiran’ny mpanao gazety moa ny teny an-toerana, izay tsy nahazahoana fanampim-panazavana tao amin’ny toerana nisehoan’ny loza.
Tafakatra valo ireo toerana nahitana famaizana tato anatin’ny telo andro, teto an-drenivohitra, raha ny tatitra voaray teo amin’ny vondrona mpamonjy voina.

Mino

Partager sur: