Tontosa tao amin’ny LTP Sambava ny asa fametrahana tambajotra rano ho an’ny fampiasana ara-pedagôjika sy ho an’ny daholobe, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Fikambanana Eau soleil –Paca. Eo koa ireo mpiara-miombon’antoka eo an-toerana, toa an’i Sambatex, Promabio sy SPMC. Manana tanjona roa lehibe ity tetikasa ity. Voalohany ny hamatsiana rano amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ireo fitobian-drano, trano fidiovana, efitrano fanazarana ary birao maromaro ao amin’ny sekoly, mba hahafahan’ireo mpianatra, mpiasa ary mpiara-monina misitraka rano amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fampianarana.
Faharoa, ny hanomezana fampiharana mivantana amin’ny alalan’ny zava-misy eny an-kianja, an’ireo mpianatra Bac pro électrotéchnique sy BTP ao amin’ny LTP Sambava.
Vinavinaina hifarana amin’ny 31 oktobra ny tetikasa, ary vonona hatrany ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa hanohana ny fampandrosoana maharitra sy ny fahaleovantenan’ny vondrom-piarahamonina.
Vonjy




