Nampahafantarina teny Antaninarenina, tao amin’ny Cité des cultures, ny faran’ny herinandro teo, ny flyers en braille. Boky natokana ho an’ny manana olana ara-pahitana sy ireo olona jamba izy ity. Ny fikambanana Autisme Madagascar no namokatra ny flyers izay navadiky ny hetsika Nifin’ Akanga “en braille”. Miresaka momba ny fahafinaretana, ny fananahana ara-pahasalamana ary ny firaisana ara-nofo ny boky. “Manampy ireo ny tsara ho fantatra rehetra momba ny zo ara-pahasalamana sy ara-pananahana ho an’ny olon-drehetra fa mampiavaka azy fotsiny izy vita “en braille” ka hanampy betsaka ny olona manana olana ara-pahitana”, hoy ny tomponandraikitra misahana ny tetikasa “Rakemba”, sady mpitarika ny masoivohon’ny Nifin’Akanga eto Antananarivo, Henintsoa Andrianinaina. Voalaza ao anatin’ny boky koa ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny fanazavana ireo voambolana tsara ho fantatra nefa tsy resahina matetika amin’ny andavanandro eny amin’ny fiarahamonina. Ohatra “orgasme”, “masturbation” sy ny fotoana hanaovana sy ilàna azy.
Taorian’ny fanontana ny boky voalohany, nanome fiofanana ho an’ny fikambanana teny anivon’ny faritra dimy ny Autisme Madagascar. Fikambanana roa isaky ny faritra niofana no nisitraka ny boky en braille. Eto Antananarivo, nahazo izany koa ny Fédération des associations des aveugles à Madagascar sy ny Centre national des formations professionnelles pour les personnes en situation d’handicap. Ho hita eny amin’ny tranomboky monisipaly koa ity flyers en braille ity ho an’ ireo liana amin’ny lohahevitra
Vonjy




