Fitantanana ny fanatanjahantena ; Adidy maro no miandry ny minisitra Rasambany Alain Désiré

Roa volana ihany no hitsarana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao anatin’ny governemanta vaovao. Andraikitra maro sy azo lazaina ho mazana ny miandry azy amin’izany.

“Arahabaina eh! Na­hazo minisitra”. Voa­tendry hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Ra­sambany Alain Désiré. Izy indray izany no hisolo ny toeran’i Moustapha Abdulah Mar­son. Raha ny vaovao voaray omaly, efa nianatra manokana momba ny fitantanana ny minisitra Rasambany Alain Dé­siré, ary manana fifandraisana iraisam-pirenena avo lenta. Maro ny andraikitra mi­andry azy izay tsy maintsy tanterahiny mandritra ny fe-potoana hiasany.
Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny famerenana ny fankatoavana ny Kianja Barea Mahamasina. Efa ela no tsy nandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena io kianja io. Ampahafantarina ihany fa fanatanjahantena ny baolina kitra ka rariny sy hitsiny raha voakasika amin’izany ny mpitantana ny MJS vaovao.
Tsy izany ihany fa hiandraiketany ihany koa ny fanelanelanana mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’i Co­ren­tin Martins, mpanazatra ny Barea. Raha tsiahivina, ny fanjakana no mandoa ny antsasa-karaman’ity Frantsay tek­nisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy ity. Ho­sahanin’ity minisitra ity ihany koa ny resaka fandrindrana ara-bola momba ny fanampiana ireo federasionina maherin’ny 40 misy eto Mada­ga­sikara.

Mila mametraka ny maha matihanina

Ny tena andrasan’ny atleta amin’ity minisitra vaovao ity dia ny hametraka ny maha matihanina ho an’ny mpisehatra fanatanjahantena rehetra eto Madagasikara. Ity farany izay efa nangatahin’ny atleta maro tamin’ny fitondrana teo aloha, saingy tsy nisy valiny hatramin’izao.

Fitia Randria

Partager sur: