Nampiakatra maoteran-drano simba: Raim-pianakaviana maty sempotra tao anaty vovo

Namoy ny ainy tao anaty lavadrano, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray (28 taona), tamin’ny 1 ora sy sasany. Sempotra noho ny fisiana entona ratsy tao anaty lavaka izy.

Nikarama nampiakatra maoteran-drano efa simba tao anaty vovo, tany amin’ny fokontany Anta­nimasaja, vakim-paritra faharoa Mahajanga, izy io, izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Raha ny fanazavana voaray, sempotry ny entona ratsy misy any ambanin’ny tany ny antony nahafaty azy. Nanomboka nanao ny asa izy tamin’ny alahady. Efa namarana tanteraka ny asa tao anaty vovo izy no izao namoy ny ainy izao. Nidina tampoka tao anaty lavaka ny lehilahy ary izy efa nikohakohaka no henon’ny mpampiasa azy. Nasaina nandray ny tady avy any ambony izy saingy tsy nisy namaly intsony. Efa nisy olona telo nampidinina tamin’ny tady nijery azy tao anaty vovo, saingy sempotra avokoa izy rehetra vao tafiditra ka niverin-dalana, raha ny fanazavan’ny tompon’ny vovo.
Nampandrenesina momba ny tranga ny tomponandraikitra sy ny manam-pahefana. Tonga tany an-toerana nampiakatra io raim-pianakaviana io tao anaty lavaka ny vondrona mpamonjy voina avy amin’ny kaominina Maha­janga. Tsy nisy sahy nidina tany anaty vovo ny olona teo amin’ny manodidina. Efa vatana mangatsiaka, tsy misy aina intsony, no nampiakarina avy tao anaty lavaka. Nigadona teny an-toerana ihany koa ny zandary izay misahana ny fanadihadiana ity raharaha ity.

Hitory ny fianakaviana
Tsy nanaiky ny nahafaty ilay lehilahy ny fianakaviany. Nanambara izy ireo fa famonoana olona tsotra izao ny zava-nitranga satria tsy tokony ho nasaina nilatsaka tany ny havan’izy ireo raha efa fantatra fa misy entona ratsy mahafaty tao anaty lavaka. Nohama­fisin’izy ireo hatrany fa tokony hisy “sachet” hamandrihana rivotra alatsaka any ambanin’ny tany mialoha ny hidinan’ny olona any. Tokony ho efa misy gony mandray sy miaro ilay olona ihany koa any anaty lavaka. Ampi­akarina haingana izy rehefa manomboka mikohaka. Na­mela mananon-tena sy zanaka mianadahy moa io raim-pianakaviana namoy ny ainy io.

Mino

Partager sur: