Nikarakara fiofanana ampitain-davitra ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny COI sy ny OIF hanomezan-danja ny tanora hitondra fampandrosoana manoloana ny vina iraisana.
Nandritra ny volana septambra sy ity oktobra ity, tanora 119 avy eto Madagasikara, Kaomoro, Maurice, La Réunion ary Seychelles no nanaraka fiofanana miompana amin’ny vina sy ny ambana itambaran’ireo firenena ireo. Fiofanana natao tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra miisa dimy. Niresahana manokana ny vina ho an’ireo firenena ao anatin’ ny ranomasimbe Indianina, ny fiahiana an-dranomasina, ny toekarena manga, ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ary ny fiahiana ana habaka izany. Nitondra sy nizara ny traikefany ho an’ireo tanora ireo ny manampahaizana avy amin’ ny sehatra tsy miankina sy ny tomponandraikitra avy amin’ ireo rafitra voakasika ny lohahevitra.
Nizara fahalalana momba ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny ambana eny an-dranomasina ny CRFM sy ny CRCO niaraka tamin’ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina. Nampisongadina ny vinan’ny toekarena manga sy ireo fanararaotra ho an’ny fandraharahana ny fifamatorany amin’ny fanomezana lanja ny harena an-dranomasina izany.
Sady fizarana traikefa sy fahalalana no nahitana ohatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ny fiofanana narahin’ ny tanora. 64 tamin’izy ireo no nahazo mari-piofanana manamarina ny fandraisany anjara.
Nanambara ny mpiofana malagasy, Miadana Avo Tiana josé, fa zava-dehibe ny fizaran’ny manampahaizana ny traikefany nandritra io fivoriana ampitain-davitra io. Mahaliana satria hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena malagasy rahateo ireo lohahevitra nifampizarana.
Ho fanohizana ny hetsika, mikarakara fifaninanana ho an’ny tanora mpandraharaha ato anatin’ny faritra ny COI. Hotanterahina ny volana marsa 2026 ny famaranana ka ny mpifaninana 15 niatrika ny famaranana nasionaly notanterahina ny taona 2024 no hiatrika izany amin’ny sokajy telo: orinasa efa am-perinasa, orinasa vaovao ary ny startup.
Vonjy




