Miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny ankizy eto Madagasikara ny Unicef. Miaraka amin’ny Fikambanana malagasy momba ny pédiatrie (Somaped), nohatsaraina ny kalitaon’ny fitsaboana ny zaza ao amin’ny CHU Mère-Enfant Tsaralalàna sy ny CHU Befelatanana. Solomaso oksizena ho an’ny zaza vao teraka 160 sy saron-tava oksizena tsotra ho an’ny ankizy 60 sy tavoahangy oksizena 360 hanomezana fanohanana ara-pahasalamana no natolotra ireo hopitaly roa ireo.
Tapitra ny fe-potoana niasan’ny masoivohon’i Japon teto Madagasikara sy Comores, Abe Koji. Hitafa amin’ny mpanao gazety, hizara ny vokatry ny asa vita tao anatin’izay andraikitra nosahaniny izay izy, ny alatsinainy 10 novambra, eny amin’ny toeram-ponenany, eny Ivandry. Io ny fampitam-baovao avy amin’ny sampana seraseran’ny masoivohon’i Japon eto amintsika.
Tsy marin-toerana ny habaka eto amin’ny Nosy, amin’ity faramparan’ny herinandro ity ka mety hampisy ny orana tandrifin-drahona amin’ny ilany avaratra andrefana, afovoany andrefana, afovoan-tany ary ny atsimo atsinanan’ny Nosy.




