Naneho ny fahavononany hanamafy ny firahalahiana amin’ny alalan’ny firaisankina eo amin’ny Foloalindahy Malagasy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) vaovao, ny Jly Razafitombo Mamirina Ely, omaly, nandritra ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny MFA teo aloha, ny Jly Deramasinjaka.
Tontosa omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny MFA teo aloha, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo sy ny MFA vaovao, ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, araka ny didim-panjakana laharana faha 2025-1114 noraisina ny 28 oktobra 2025. Nankasitraka ny zava-bita sy ireo mpiara-miasa taminy ny MFA teo aloha ary nampanantena fa mbola hanohana ny MFA vaovao ho fampandrosoana ny Tanindrazana. Nisaotra tamin’ny fahatokisana napetraka taminy koa ny Jly Razafitombo amin’izao fanendrena azy izao ary nampita ireo hafatra avy amin’ny Filoham-panjakana ho an’ny Foloalindahy. Voalohany, ny hanamafisana ny firaisankina eo amin’ny Foloalindahy Malagasy. Faharoa, ny fanovana ny rafitra mba hoenti-miatrika ireo ambana avy ao anatiny sy avy any ivelany. Ary ny fahatelo dia ny fametrahana ny tany tan-dalàna izay andrasan’ny vahoaka amin’ny Foloalindahy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fametrahana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny firenena. « Izany rahateo no fitakiana nataon’ireo vahoaka teny an-kianja », hoy hatrany ity manamboninahitra jeneraly ity. Tonga nanatrika ny fotoana ny minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Bama Marima; ny lehiben’ireo etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Pikulas Démosthène, ary ireo lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika telo took, niaraka tamin’ireo manamboninahitra mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera.
Jean Claude




