Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : Nampiaka-peo ny mpirakidraharaha

Tsy takona hafenina intsony ny firaviravian-tanan’ny mpitandro filaminana, hany ka zary lasa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana iza­ny. Efa mihatra isam-baravarana, manerana ny fokotany 138, anivon’ny kominina ambonivohitr’i Toamasina iza­ny. Vokany, tsy naharitra ka niloa-bava sy nampiaka-peo no sady nikiakiaka ny mpirakidraharaha eo anivon’ny Fi­tsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony Toamasina, ny talata maraina, tetsy anoloan’ny Lapan’ny fitsarana. Manoloa­na izany rehetra izany, miantso ny fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana mahefa manoloana ny herisetra mianjady amin’ ireo mpirakidraharaha tato ho ato izay tonga hatramin’ny fanafihana mahery vaika any an-tokantrano arahina fampiasana fitaovam-piadiana izy ireo. “Tsy ekena intsony ny tsy fandriampahalemana, mandraisa andraikitra ianareo nomena fahefana amin’izany fampandriana fa­halemana ny tanàna izany”, hoy hatrany izy ireo. Raha hiverenana dia niharan’ny fanafihan-jiolahy misaron-tava ny lehiben’ny mpirakidraharaha “greffier en chef” eo anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 23 oktobra lasa teo ary naratra mafy. Very tamin’izany ny solosaina sy finday avo lenta miisa efatra tao an-tokantranony, ao amin’ny fokontany Tanambao fahadimy.

Sajo

Partager sur: