minisitry ny fantanjahantena: Hanohy ny fanatsarana ireo fotodra­fitrasa

Tontosa omaly, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vao voatendry, Rasambany Alain Désiré.

«Firahalahiana tanteraka! ». Io ny teny namaritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vaovao, Rasa­mbany Alain Désiré, natao tetsy Ankorondrano, omaly. Nilaza ny minisitra mandray ny toerana fa ho tohizana ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny Kianja Barea Mahamasina.
Ho ezahina hatao izay hahazoan’ity kianja ity fankatoavana avy amin’ny Caf. Hisy ny komity manokana hajoro hiarahan’ny minisitera sy ny Federasionina misalahy mba hijerena ny lafy rehetra tokony hatao, hanatsarana io kianja io. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy hapetraka ny Politika nasionalin’ny fanatanjahantena, ary hampiana ihany koa ny federasionina tsirairay, mba hahafahana ma­natsara ny lentan’ireo atleta malagasy.
« Hapetraka eto Mada­gasikara ny Politika nasionalin’ny fanatanjahantena, ary hoentina hankatoavina amin’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra izany, afaka herinandro vitsy. Hatsangana ny kaomisionina ho an’ny filankevim-pirenena ho an’ny tanora mba hahafahan’izy ireo miditra ao anatin’izany sehatra fampivoarana ny firenena izany” , hoy ny minisitra Rasambany Alain Désiré.
Nomarihin’ny minisitra fa manomboka eto dia tokony hisaraka tsara ny andraikitry ny minisitera sy ny federasionina, izany hoe, tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny federasionina mihitsy ny minisitera fa mijanona ho mpanampy sy mpanome soso-kevitra fotsiny ihany.
Tonga nanatrika ny lanonana, omaly, ny filohan’ny Federasionin’ny rugby, karate, tolona, hazakazaka am-bisikleta, ny atletisma, ny lalao Echecs ary ny Kung Fu.

Fitia Randria

Partager sur: