Hotanterahina ao amin’ny Gymnase Vatofotsy Antsirabe, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, an’olon-tokana, taranja Karate do, ho an’ny sokajy Cadet, Junior ary ny Senior. Atleta miisa 450 mianadahy, avy amin’ny ligy 20, no hifanandrina amin’izany.
Amin’ity fifanintsanana nasionaly ity, hisy ny fihetsika mirindra “kata” sy ny fifanandrinana mivantana “kumité”. Araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Karate do (FMK), izay tarihin’ny filoha Ratefinanahary Emile, manasa manokana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, ho tonga hanokatra sy hanotrona ny hetsika izy ireo. Notsiahiviny fa zava-dehibe tokoa ny fanatrehan’ny minisitra ny fifaninanana nasionaly tahaka izao.
Ankoatra izay, nilaza ny filohan’ny FMK fa manana atleta valo, solontenan’i Afrika, tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, i Madagasikara. Anisan’izany ny sokajy Sénior, izay tontosaina any Egypta, ny 27-30 novambra ho avy io. Eo ihany koa ny an’ny Cadet sy Junior, izay hatao any Venise, Italie, ny 3-7 desambra.
Fitia Randria




