SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny talata lasa teo, nihazo an’i Tunisie, ilay Malagasy mpitsara basikety, Maminiaina Sylvain Pierrot. Hiatrika fiofanana any an-toerana ny tenany manomboka anio hatramin’ny 2 novambra ho avy izao. Fiofanana karakarain’ny Federsionina iraisam-pirenena (Fiba) izy ity, hanamafisam-pahaizana.

Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny hazakazaka fiarakodia “Coupe du monde Fia Karting Arrive and Drive”, Rajomarison Matheo. Fifaninanana hatao any Kuala Lumpur, ny 14 hatramin’ny 16 novambra ho avy izao. Hifaninana amin’ny sokajy Junior ny tovolahy izay vao 12 taona amin’ity.

Hotanterahina ny sabotsy 1 novambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Federal 2”, taranja rugby. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany: ny XV Avenir hifanehitra amin’ny RCSA, ny AFA hifandona amin’ny FTam. US Ikopa hifampitana amin’ny FTBA ary ny Rosa kosa hikatroka amin’ny 3FAI.

Partager sur: