Anatin’ny fanorenana sy fanarenana tanteraka amin’izao fotoana izao ny fitondram-panjakana malagasy. Ny olona aloha no efa voapetraka tsikelikely. Miroso miandalana sy tsy mikoropaka. Ny rafitra no mbola omaly tsy miova. Tsy ho atoato rahateo anefa, tsy maintsy miandry ny lamina izay any ambatobevohoka, vao mitsaika.
Raha ny resaka roa taona lazaina aloha dia tena lavitry ny afo ny kitay. Tsy maintsy mandalo ny sedrasedra isan-karazany aloha mandra-pahafoy sy mandra-pikotrika. Fotoana lavalava no tsy maintsy lalovana mandra-panovana ny Lalàmpanorenana sy izay karazana tohana ara-pitsarana hijoroan’ny fitondrana. Hatreto, mbola ilay tonta tsy nankasitrahina no rohidrohitina tsikelikely.
Zary mialoka anaty fialofana nolazaina fa efa tsy nampanjary.
Tsy natao hanimba moraly izany fa entina kosa manatsara ny zava-drehetra. Natao mba ho fitaizana ilay saim-bahoaka mora mivadika sy tia raha ” bôjibôjy”, tsy isasarana. Tsy mendrika toe-tsaina toy izany ilay firenena. Tsy natao ho fieren-dRamoramanana i Madagasikara. Tsy maintsy mifofotra sy miaritra vao tafita. Tsy mety ny toloram-potsiny ambonin-draha mohamohaka. Mila miaritraritra. Fanarenana mitarika fanovana toe-tsaina sy fomba fiaina manokana no tokony ho lohalaharana. Efa nahari-pery ihany nandritra ny taona marobe, fa ilay saina resy tsy miady kosa no tsy maintsy fongorina. Mifanindran-dalana amin’izay ny fahafahana mijoro ka hanana fahasahiana hanao izany fanarenana sy fanorenana izany.
Tsy vitan’ny vava fa asa sy fahasahiana. Hatreto anefa aloha dia resaka no atao. Ny omaly ihany no omaly. Tsy misy fiovana na kely akory aza. Vao manala ny zana-tohatra voalohany miaraka amin’ny tongotra ila.
r.r




