Anisan’ny firenena faran’izay mahantra, hono, i Madagasikara.Na maneran-tany io, na aty Afrika, na aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Samy milaza an’izay na ny vahiny; eny, na ny teratany eto an-toerana aza. Ndeha hatao hoe: hono, fa raha ny marina: firenena manan-karembevava i Madagasikara, fa ny vahoaka ao aminy no mahantra na nampahantraina izay ela izay. Tsy hita hotanisaina eto izay harembevavan’i Madagasikara izay. Na an-dranomasina io, na ambanin’ny tany, na ambonin’ny tany, toy ny olona mbamin’ny kolontsainy… Nefa ahoana no hoe mahantra? Tsy mandroso, tsy mahatratra ny fenitra amin’ny hoe fampivoarana amin’ny maha olona ny maro. Mahatratra hatrany amin’ny 92% no hoe mahantra amin’ny vola raisina, fisitrahana filana andavanandro toy ny jiro sy rano, sakafo, trano fonenana…
Misy antony fototra sy fositra ao. An-dalam-pandrosoana fa tsy mbola tena mandroso. Nahoana? Tsy fampandrosoana ny vahoaka tsinona no tena nimasoan’ny mpitondra nifandimby fa fiarovan-toerana, ady tombontsoa, adilahy… ? Tsy mahafa-bela. Baraingo mila valina izay. Tsy misitraka inona firy amin’izay hoe harembevavan’ny firenena izay koa ny vahoaka ifotony, fa ny hafa no mitavana sy mandroba. Na ny eo an-toerana io, na ny avy ivelany… Mandra-pahoviana? Amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao, ahoana no hahazoan’ny vahoaka hatrany ifotony misitraka ny harena ao aminy. Mba tsy
ho marina ny filazan’ny vahiny sasany hoe mivihivihin’ny hatsiaka eo ambony bodofotsy ny vahoaka, mahantra eo ambony harena tsy hita noanoa… Fanontaniana mila valiny koa izay. Mba tena mitondra ho amin’ny fampandrosoana, indrindra ny vahoaka ifotony, tokoa ny hoe fanovana na fanavaozana? Ho hita eo…
R. Nd.




