Antanimena : Lehilahy iray tratra namono olona

Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy Anta­nimena, afakomaly. Voarohirohy noho ny famonoana olona niniana natao izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisim-pirenena ny marain’ny 29 oktobra 2025 lasa teo, fa misy olona voadaroka sy naratra mafy eo Antanimena. Nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisin’ny UIR, taorian’ny antso. Vehivavy iray no naratra mafy teo amin’ny lohany, voavely tamin’ny vato. Efa nentina nihazo ny hopitaly izy taorian’ny tranga. Nosamborina ihany koa ny lehilahy tompon’antoka tamin’ny herisetra, naterina eny anivon’ny bi­raon’ny kaomisaria Boriborintany fahatelo Antaninandro, na­nokafana fanadihadiana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy ny hetsika.
Ankoatra izay, Lehilahy iray 24 taona ihany koa tratra saika hamaky trano tetsy Andohatapenaka II, afakomaly. Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Boriborintany fahafito izy. Nahitana famaky teny aminy, izay nikasany hanokafana ny varavaran’ny trano.

Mino

Partager sur: