Hifarana anio, any Dakar, Sénégal, ny fivoriana andiany fahavalo, “Forum Galien Afrique” miompana amin’ny fahasalamana.
Mandray anjara avokoa ny mpitarika politika, mpikaroka, mpandraharaha ary ny tanora midinika ny lohahevitra “Zava-dehibe ny fahafahan’i Afrika misahana ny fahasalaman’ny mponina ao aminy”. “Hita taratra nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19 fa marefo ny rafitry ny fahasalamana aty Afrika nefa azo hihoarana izany zava-misy izany”, hoy ny minisitry ny Fahasalamana sy ny fahadiovana ao Sénégal, ny Dr Ibrahim Sy, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tamin’ity herinandro ity.
Anjaran’ny firenena tsirairay aty Afrika ny mamaritra ny laharam-pahamehana ho an’ny fahasalaman’ny mponina ao aminy sy ny fisitrahan’ny tsirairay ny tolotra. Miantehitra loatra amin’ny fanafarana vaksiny sy ny fanafody fototra avy any ivelany i Afrika teo aloha. Nomarihiny fa ho an’i Sénégal manokana, manana vina izy ireo ny hamokatra vaksiny sy hampiasa ny haitao ara-kajy mirindra hitantanana ny rafitry ny fahasalamana. Ilaina, araka ny voalaza, ny fifanohanan’ny firenena aty Afrika hahatrarana ny tanjona hahaleo tena ara-pahasalamana.
Nandritra ny hefarana, nisy ny fifanakalozana teo amin’ny mpandraharaha afrikanina sy ny mpamatsy vola ny voka-pikarohana samihafa hampandrosoana ny fahasalamana. Nomena lanja koa ny fahaiza-mitariky ny vehivavy amin’ny sehatry ny fahasalamana. Natolotra nandritra ny fivoriana koa ny amboara “Galien Afrique” toy ny fanao isan-taona ho an’ny vaksiny sy ny fanafody ary fitaovam-pitsaboana vaovao.
Nambaran’ny solontenan’ny OMS, Dr Abdourahamane Diallo, fa zavatra efatra no ilaina hahazoana fahaleovantena ara-pahasalamana aty Afrika: famatsiam-bola ao anatiny, fahavitan-tena amin’ny fitaovam-pitsaboana, rafitry ny fahasalamana matanjaka ary fifanohanan’ny firenena rehetra aty Afrika. Vonona rahateo ny OMS hanohana ny ezaka hahatongavana amin’ny tanjona.
Vonjy




