Lasa takalonaina ny zanaka malagasy mianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana hatramin’ny fiantombohan’ny fitokonana, ny 26 septambra ho an’ i Toamasina, raha efa miverina mianatra soa aman-tsara ny eny amin’ny sekoly tsy miankina. Ho an’ i Toamasina manokana, ankoatra ny fitakiana ny hitovian’ny mpampianatra mpanabe manerana ny Nosy, mitaky ny fialan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, koa ny vondron’ny mpampianatra mpanabe. Nolazain’ ireo mpitokona fa maro ny antony, fa anisan’izany ny fakam-bola amin’ny mpampianatra, ny fibedesana mpampianatra eo imason’ny mpianatra, ny fitazonana ny taratasim-bolan’ny mpampianatra (Bon de caisse). Vokany, sahiran-tsaina ny ray aman-dreny, izay milaza sahady fa tsy manana toe-tsaina maha mpanabe ireo mpampianatra. “Azon’ny fitondram-panjakana ny manenjika ara-pitsarana na koa mandroaka ireo mpampianatra izay tsy hanao ny adidiny. Governemanta vao nipetraka rahateo ireo, tsy hisy famahana olana ho an’ny mpitokona raha mbola anatin’ny roa taona”, hoy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra eo anivon’ny sekolim-panjakana.
Raha izao no mitohy, hiroso amin’ny fitakiana ny hanesorana ireo mpampianatra tsy vonona ny ray aman-dreny mampiana-janaka anivon’ny sekolim-panjakana
Sajo




