INDRAY MIJERY

“Betsaka ny nanana ahiahy fa tsy olon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena aho”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena vaovao, Dr Hanitriniaina Elis Karena, nandritra ny fandraisany fitenenana. Tao amin’ny fanabeazana no nandaniany ny fahatanorany ary teny anivon’ny Lycée Betioky Atsimo no niasa voalohany izy. Nanome toky izy fa tsy handiso fanantenana ireo mpiasa miandrandra fanovana. Hihaino sy hamaha olana ary tsy hanilika na iza na iza izy ka miantso ny hifanomezan-tanana amin’ny mpiasa rehetra. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha.

Noho ny fisian’ny tranga fanapoizinana ara-tsakafo niseho tao amin’ny fokontany Ambolamena Antsahalava, kaominina Bongatsara, nandray andraikitra avy hatrany ny Médecin inspecteur Antananarivo Atsimondrano. Nokarakaraina sy notsaboina maimaimpoana avokoa ireo marary tonga tao amin’ny CSB2 Bongatsara. Nitan-tsoroka hatrany ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga.

Taorian’ny voina nahazo ny kaominina Manambondro, distrikan’i Vangaindrano, nandray andraikitra avy hatrany ny eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, tamin’ny alalan’ny BNGRC. Nandefa kamiao mitondra fanampiana ho an’ireo traboina ao amin’ny kaominina izy ireo, tamin’ity herinandro ity.

Partager sur: