“ Mitohy ny tolona”, hoy ireo mpilalao efatra mirahalahy an’ny Barea zokiny: i Abel Anicet, Bolida, Faneva Ima ary i Voavy Paulin, afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera.
“Mitohy ny ady!”. Hanentana ny olona hidina an-dalambe ireo mpilalao Barea fahiny: i Faneva Ima, Bolida, Anicet Abel, Voavy Paulin, rahampitso, eny Mahamasina. Antony iray tena hijoroan’izy ireo ny hanovana ny fomba fitantanan’ireo lehibe eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny filazan’izy efatra mirahalahy, maro loatra ny zavatra hita tsy mety anivon’ity rafitra federaly misahana ny baolina kitra ity. Ohatra noraisin’izy ireo amin’izany ny tsy fandoavana ny volan’ny mpitsara sy ny mpilalao, ny herisetra misy, ny fitantanana tsy mangarahara.
“ Tsy mitohy ny fifaninanana divizionina faharoa nasionaly, satria mitokona ny mpitsara, fa efa fito volana ry zareo tsy nandray tambin-karama”, hoy i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha. Nanamafy an’io hevitra io moa i Bolida, ary milaza fa betsaka loatra ireo fampanantenana paokaty nataon’ny federasionina.
“Mbola tsy voaloan’ny FMF ny volan’ireo mpanohana ny fifanintsanana ao Madagasikara. Tsy mbola nisy nahazo ny tambin-karama ho an’ireo vehivavy mpilalao Barea, nandritra ny Can Futsal sy ny Cosafa teo ireny”, hoy i Bolida. Nametra-panontaniana azy efatra mirahalahy mihitsy ny tsy fivoaran’ny baolina kitra, sokajy vehivavy. “Nankaiza ny vola hanampiana ny baolina kitra, sokajy vehivavy, nefa ny Fifa efa nanokana vola misimisy hanohanana io sokajy io, ary anisan’ireo mahazo izany i Madagasikara.”, raha ny fanambarana.
Voaresaka nandritra ity tafatafa mivantana natao tao anaty facebook ity ihany koa ny tale teknika nasionaly (DTN), Rasoanaivo Rado. Nambaran-dry zalahy fa voageja amin’ny asany angamba izy ka mangataka azy haneho hevitra momba izany.
“Herisetra sy fanavakavahana …”
Miantso ny federasionina ireo zoky mpilalao nandrafitra ny Barea ireo mba hanatsahatra ny herisetra mianjady amin’ny mpanazatra sy ny mpilalao ary ny mpitsara. “Hitantsika anaty video avokoa ny herisetra mahazo ny mpitsara sy ny mpilalao ary ny mpanazatra ireny. Mangataka anareo izahay atsaharo ny herisetra fa ataovy mangarahara ny fitantanana”. Io ny nambaran’i Faneva Ima.
Etsy ankilany, i Abel Anicet milaza fa mbola misy ny fanavakavahana amin’ny tambin-karama raisin’ny mpilalao avy eto an-toerana sy ireo mpilaravinahitra. Tsy mbola naneho ny heviny mahakasika izao hetsika hataon’izy efatra mirahalahy izao moa ny FMF, izay rafitra mahaleo tena eo anivon’ny Fifa.
Fitia Randria




