SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa hifanandrina amin’i Kenya, ny Barean’i Madagasikara, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana hatao ny volana novambra ho avy izao. Tsy mbola namoaka izany fanambarana ofisialy izany ny Federasionina kenianina na ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Mangataka fanohanana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Mohamed Houlder, amin’izao fiatrehany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny hazakazaka bisikileta izao. Ity farany izay nilaza fa efa hiantohan’ny Federasionina afrikanina ny tapakilany, saingy an’ny Malagasy ny fandaniana sasany.

Nitarika fivoriana voalohany teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny Fa­na­tanjahantena Mahamasina, ny minisitra vaovao, Rasambany Alain Désiré. Nanatrika izany ireo tale isan-tsokajiny avy sy ireo sekretera jeneraly eo anivon’ity minisitera ity.

Partager sur: