Hanomboka anio, ao Vakinankaratra, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, ho an’olon-tokana, eo amin’ny sokajy Cadet, Junior ary Senior, Kata sy Kumite. Mpikatroka 450, avy amin’ny ligy 20, no hifaninana mandritra ny 3 andro, ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do malagasy, Ratefinanahary, sy ny ligy mandray ny fifaninanana fa efa vonona tanteraka ny fandraisana ity fifaninanana ity, izay hanomboka anio ary hifarana ny 2 novambra izao. Raha ny fandaharam-potoana, hatao ao anatin’ny roa andro, ny 31 oktobra sy 1 novambra ny fifanintsanana, ka ny 2 novambra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, no hanatanterahina ny famaranana. Tsiahivina fa nozaraina roa ny fifaninanam-pirenena tamin’ity taona ity, ka izao hatao any Antsirabe izao ny ho an’olon-tokana. Hatao any Antsiranana kosa ny ho an’ny ekipa, ny volana desambra izao, araka ny fandaharam-potoana napetraky ny federasionina. Fanomanana ireo fifaninanana iraisam-pirenena hoavy ihany izao fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izao.
Mi.Raz




