Mipoitra ny atsy. Mihetsika ny aroa. Samy te haneho fa ilaina haverin-kasina ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina Malagasy. Fotoana fanatanterahina izany izao.
Hafa mihitsy ny Malagasy ! Kolontsaina, zavakanto, soatoavina, toerana mirakitra tantara, fomba amam-panao… Maro tamin’ireny no notaina fady tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao. Tsy nahenoina teny na nahenoina ihany fa nalefaka dia nalefaka ny Malagasy. Tsy nahitana fanoherana na fanankianana fa toa fankasitrahana sy tehaka nirefodrefotra aza no nandraisana ny zava-tsy nety. Ireo lazaina ho manam-pahaizana, mpahay tantara, sns, aza, nanaiky lembenana sy nanara-davahana fotsiny. Ny sasany tamin’ireo vao mainka nanamafy ny tsy marina (tantara, fomba, porofo, hevitra…) ho tonga « tena izy »… Ankehitriny, samy dodona amin’ny famerenan-kasina ny rehetra. Fihetsika toa maneho na manamafy fa nitazam-potsiny ny Malagasy (manam-pahalalana, manam-pahaizana, mpikaroka, mpahay tantara, mpahay fomba…) nandritra ny nahitana sy niainana ireo lesoka ireo ?
Mila fandrindrana fatratra…
Fanotana fady no natao tatsy sy taroa. Na izany aza, mila fandrindrana fatratra ny fanarenana sy famerenan-kasina hotanterahina. Fitaovana hoenti-manampy amin’izany ny fahalalana ananan’ireo « vatonamelankafatra » sy ny fahaizana ananan’ireo mpikaroka. Ilaina ny fahaiza-mihaino, miresaka, mifandresy lahatra, sns.
Atao tahaka ny fady ny manimbazimba na manao tsinontsinona ireo lamina voajanahary efa niainan’ny Malagasy hatrany Ambadik’Imanareza (Ambadikimanareza). Ny tompon-tany, ohatra, no tokony mahay kokoa momba ny taniny (fomba amam-panao, tantara, fady, soatoavina…). nahay nifanaja, ohatra, ny Malagasy, fahiny. Mila mahay mifanaja ihany koa ny malagasy ankehitriny.
Anisan’ny toerana na faritra niharan’ny fanotana fady maro indrindra nandritra ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao i Antananarivo. Noho izany, mila fanadiovana sy fanarenan-kasina goavana be.
HaRy Razafindrakoto




