Oniversiten’Antananarivo : Nandraisana fepetra ireo fotodrafitrasa tsy ara-dalàna

Noravaina ireo fotodrafitrasa miorina tsy ara-dalàna eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mitohy ny fanadiovana ary tsy tokony hanavahana.

Nidina avy hatrany nandray ny andraikitra manoloana ny fanorenana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna eny amin’ny oniver­siten’Antananarivo ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Niarahana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanatanterahana izany.
Tanjona ny fiarovana ny fananan’ny fanjakana sy ny toerana natokana ho an’ny fampianarana ambony. Niro­soana avy hatrany ny fampitsaharana sy ny “scellage”. Ny faran’ny herinandro teo ihany dia noravain’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra iha­ny koa ireo fotodrafitrasa tsy ara-dalàna teny amin’ny oniver­siten’Antananarivo.
Hiara-hivory ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany miaraka amin’ny Oniversiten’Antananarivo ary ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA) anio ho fanamafisana sy ho fametrahana vahaolana maharitra momba ny fiarovana ny toerana.
An-taona maro no efa gaboraraka tanteraka teny amin’ny oniversi­ten’Antana­narivo ka tena itakian’ny mpianatra ny fanavaozana ifotony mihitsy. Ankoatra ny fanorenana tsy ara-dalàna, bodoin’ny olon-tsotra ny tanin’ny oniversite. Misy manao tanàna be azy manokana voafefy. Samy mamaritra izay tiany. Eo koa ny varotra toaka sy tsena tsy ara-dalàna. Mila tsy hisy hodiavina intsony ny faritry ny toeram-ponenan’ny mpianatra ka na lalana hifamezivezena aza dia tena tery.
Etsy andaniny, gaboraraka loatra ny fivezivezena ao amin’ny tanànan’ny oniversite ka mampitaraina ireo mpianatra amin’ny tsy fandriampahalemana.
Tsy ny ao amin’ny oni­versiten’Antananarivo iha­ny fa any amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatry ny oniveristen’i Maninday Toliara ihany koa dia mila fanadiovana fa efa lasa fokontany iray raha ny fitarainan’ireo mpianatra any.

Tatiana A

Partager sur: