Mijanona ho ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo raha ny tomban’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Avo 7 heny raha oharina amin’ny fenitra nasionaly sy ny fetran’ny OMS ny refy voaray. Raha ny mandrafitra ny toetry ny andro no jerena, dia vinavinaina hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra ato ho ato.
Vokatry ny firongatry ny doro tanety sy ny setroka avoakan’ny ozinina sy ny fiarakodia no mahatonga izao fiakaran’ny fahalotoan’ny rivotra izao, raha ny fanazavana. Migaina ihany koa ny andro ary miangona ny fako.
Miteraka aretina ho an’ny rehetra indrindra ireo sokajin’olona marefo izany. Ny dokotera manokana mitsabo ny zaza sy ny ankizy dia manome torohevitra ny ray aman-dreny amin’ny hiarovana fatratra ny zaza.
Ferana araka izay azo hatao ny fivoahana ny trano indrindra amin’ny toerana be fiara mifamezivezy. Hakatona ny varavarankely mandritra ny fotoana mampiakatra be ny fahalotoan’ny rivotra ary sokafana maraim-be izany hidiran’ny rivotra madio.
Ireo manana aretina mitaiza toy ireo mararin’ny homamiadana, ireo diabetika, misohika sy manana aretin-tratra ihany koa dia tena saro-pady vokatr’izany fahalotoan’ny rivotra izany ka mila mitandrina.
Tatiana A




