Handraisana fepetra na iza na iza ireo minia manototra tany, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, jeneraly Lylison. Tsy hisy intsony ny fanotofana tany manomboka izao. Nitsidihina ny “station de pompage” an’ny Apipa teny Ambodimita ihany koa izy ka hita nandritra izany fa ny roa amin’ireo milina ao an-toerana no tsy mandeha. Tena ilaina anefa izany amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra. Hojerena akaiky ny fanamboarana ireo mba hahafahany miasa.
Nanatontosa paikady manatona ny vahoaka ny mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny CSB2 Mangatany, fokontany Marohova, distrikan’i Fenoarivobe, faritra Bongolava. 15 km eo ho eo miala ny tobim-pahasalamana no nanaovana izany. Fisitrahana vaksiny sy vitamina A ho an’ny ankizy no tena nisongadina. Nampahafantarina tamin’izany koa ny vaksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.
Hotanterahina any Toamasina ny JMJ Mada faha XI. Ny 25 ka hatramin’ny 31 aogositra no hanatontosaina izany, izay fihaonamben’ny tanora katolika manerana ny Nosy. “Ary ianareo koa hijoro vavolombelona hanambara Ahy satria miaraka amiko hatramin’ny voalohany ianareo” (Jo 15,27). Io no lohahevitra ijoroana ao anatin’ny hetsika. Ny 01 janoary – 30 avrily 2026 no daty ofisialy fandraisana ny lisitra avy amin’ny Diosezy.




