Tonga tany Antsiranana mihitsy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, niaraka tamin’ny minisitra maromaro namaha haingana ny olana misy eo amin’ny oniversite any an-toerana.
Vahaolana avy hatrany no nentina ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Nametrahana «panneau solaire» hanazava ny tanàna, mamatsy herinaratra 20 MW. Hatao haingana ihany koa ny forage hahafahan’ny mpianatra misitraka rano madio fisotro maharitra tsy miankindoha amin’ny Jirama intsony.
Momba ny vatsim-pianarana roa volana kosa indray, vinavinaina hivoaka afaka telo herinandro izany.
Nambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony fa an-dalam-pijerena ny fanavaozana ny tranon’ny mpianatra izy ireo. Mila vahaolana haingana ihany koa ny mpianatra manoloana ny fikorontanan’ny fitsinjarana ny trano.
Efa ao anatin’ny dingana fisivanana ny orinasa hisahana izany fanaovan-trano izany ny fanjakana amin’izao fotoana izao.
“Etsy andaniny, tokony ho hentitra ny tsirairay amin’ny fanajana fitsipika ary mila fitandremana ny toe-draharaha toy izao satria maro ireo mpanararaotra”, hoy ny ray aman-dreny nanafatra ireo mpianatra. Mitohy hatrany ny fanadihadiana, ny fandrindrana, ny fanaraha-maso ary ny fiarovana ny Oniversite sy ny mpianatra ary ny vahoaka.
Nandritra ny fidinana tany Antsiranana, namangy ny fianakaviana manaman-jo vokatry ny hetsika tao Antsiranana ny ekipan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
Tatiana A




