Sekolim-panjakana : Mbola mitokona ny mpampianatra

Mbola maro ireo Lycée tsy mandray mpianatra fa manakatom-baravarana noho ny fitokonan’ny mpampianatra. Tsy mbola nisy nivaly ny fitakiana ka tsy manaiky ny hiverina hampianatra izy ireo. Etsy andaniny, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dia efa manentana ny mpampianatra hiverina an-tsekoly handray ny asany fa hamaha miandalana ny olana. Ankilany, ireo mpianatra manao fitakiana fa efa te hianatra satria lava loatra ny fotoana tsy nianarana.
Noraisin’ny minisitry ny Fa­­nabeazam-pirenena ireo mpi­anatra avy ao amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo, omaly, nilaza ny hetahetan’izy ireo ny hiverina an-tsekoly amin’izay.
Tamin’izany no nilazan’ny minisitra fa tsy miankina amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena irery intsony ny fitakian’ny mpampianatra fa miankina amin’ny minisitera hafa. Efa tafiditra ao anaty la­làna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026 ary miandry fankatoavana avy amin’ny solombavambahoaka izany.
Mihenjan-droa, araka iza­ny, ny tady eo amin’ny mpampianatra sy ny fanjakana. La­siba­tra kosa ny mpianatra ma­no­loana ny vahaolana mitarazoka.
Ireo mpampianatra moa mangataka fifanarahana ma­zava sy voarakitra an-tsoratra ho porofon’ny fifanekena satria efa milaza ho fay tamin’ny zava-nisy tany aloha.

Tatiana A

Partager sur: