Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe tany Espagne, ny faran’ny herinandro teo. Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ireo maherifo nandrombaka medaly tamin’ny tompondaka maneran-tany. Nisongadina nandritra ny lahateniny ny hoe: “tsy maintsy hojerena mitovy avokoa ny taranja ara-panatanjahantena rehetra”. Natao izany mba hisorohana ny resaka fanavakavahana.
Ankoatra izay, niarahaba ireo Malagasy atleta ny minisitra noho ny zava-bitan’izy ireo. Nilaza izy fa tsy hijery fotsiny ny fitondram-panjakana, hisy ny mari-pankasitrahana manokana homena ho mariky ny fisaorana sy fankatoavana ny zava-bitan’izy ireo.
Vonona ny hiara-hiasa sy hanohana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanjakana.
Fitia Randria




