Nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny lalan-dRakotomaharo Fy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Échecs, tanterahina any Inde, nanomboka ny 31 oktobra lasa teo. Afapo izy na dia io aza ny vokatra, raha ny nambarany. Ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Doha, ny 25 hatramin’ny 31 desambra, indray no miandry azy manaraka.
Tanterahina any Paris, ny 3 hatramin’ny 8 novambra izao, ny “Mondiaux des Vétérans”, eo amin’ny taranja judo. Manana solontena amin’izany ny Diaspora malagasy any an-toerana. Malagasy mpikatroka 5 no mandray anjara amin’ity fifaninanana ity, ka anisan’ny efa niakatra an-tsehatra, omaly, i Christiane Vital, sokajy, M1 -66kg sy i Sandaniaina, M2 -60 kg.
Hotanterahina ao amin’ny Kianja Parc de Princes, France, ny lalaon’ny Paris Saint Germain FC, frantsay, sy ny Bayern Munich FC, alemà. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions 2026 ». Tsiahivina fa adin’ny voalohany sy faharoa izy ity, sady tsy mbola nisy resy izy ireo tamin’ity LDC 2026 ity.
Araka ny fikarohana natao omaly, hiatrika lalao enina any ivelan’ny kianjan’izy ireo ny klioban’ny Real Madrid Espagne. Ao anatin’izany ny fifanandrinana amin’ny Liverpool, klioba anglisy, ny Rayo Vallecano, espaniola, … any amin’ny 7 desambra any izy ireo vao hampiantrano fihaonana iray.




