Manjaka ny kolikoly eo anivon’ny orinasa Jirama. Tsy mazava ny fitantanana sy ny fandrindrana ny tahirin-tsolika ampiasaina sy ny vokatra nafarana.
Tafakatra hatrany amin’ny 734 tapitrisa Ar ny fatiantoky ny Jirama nanomboka ny taona 2020 ka hatramin’ny 2023, vokatry ny kolikoly sy ny tsy fisian’ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fitantanana ny solika, araka ny tatitra navoakan’ny « Cour des comptes ». Fatiantoka avy amin’ny tsy fitoviana eo amin’ny habetsahan’ny solika novidina sy ireo nampiasaina. Tsy voamarina avokoa, araka izany, ny fampiasana ireo 124 726 l solika mavesatra sy 47 935 l gasoil. Midika izany fa tsy tomombana ny fitantana ny tahiry, diso ihany koa ny fandrindrana ny angon-drakitra anatiny.
Nilaza ireo mpitsara ara-bola fa misy fiantraikany mivantana amin’ny famokarana herinaratra ny zava-misy. Matetika, mihoatra ny fenitra voatondro ny tahan’ny fandaniana amin’ny famokarana. Etsy andaniny, nilaza ireo mpandinika fa azo noferana izany rehetra izany raha hentitra ny rafi-panaraha-maso ny fanafarana sy ny fitsinjarana.
Ankilany, nandroso soso-kevitra ny hampiharana ny haitao ara-kajy mirindra hanaraha-maso ny fitantanana ny fadintseranana, nanohana izany ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) saingy tsy hita popoka izany hatramin’izao.
Vina
Manoloana ny zava-misy, manantena hitondra fanovana ny fitantanana sy ny gaboraraka ny fitondrana amin’izao fotoana. Mba ho laharam-pahamehana ny mangarahara ka hampitsahatra ny kolikoly sy ny trafika miverimberina eo anivon’ny orinasa izany.
Ankoatra izay, mbola mitohy ny fitokonana ataon’ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama izay mitaky ny hialan’ny tale jeneraly, Ron Weiss. Noho izany, mikatona avokoa ny masoivohon’ny Jirama manerana ny Nosy. Mitaky ny fanovana rafitra sy ny fanafoanana ny sata vaovao napetraka izy ireo.
Henintsoa




