Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy mpisehatra amin’ny judo. Mpanazatra iray no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny judo (IJF Academy), ny herinandro teo, dia ny Maître Randrianitovina Arsène Nambinina.
Mpanazatra nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Judo Randrianitovina Arsène Nambinina. Niatrika fiofanana nampitain-davitra nandritra ny 18 herinandro, niampy fiofanana mivantana, herinandro, ary fanadinana nandritra ny roa andro, ny mpanazatra Arsène. Vokany, azony ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena izay nahazoany naoty 85 isan-jato. Rehareha ho an’ny taranja judo malagasy izao fahombiazana azony izao ary hitondra fivoarana ho an’ity taranja ity eto Madagasikara. Raha hiverenana ny mahakasika an-dRandrianitovina Arsène Nambinina, namiratra izy na teto an-toerana, na teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mpikatroka ny taranja judo efa 25 taona mahery izao izy. Ny taona 1999 izy no niatrika ny fifaninanam-pirenena voalohany ka nahazo avy hatrany ny medaly volamena. Voatazony hatrany ny anaram-boninahitra, hatramin’ny taona 2020. Nitarika ny Lalaon’ny Nosy voalohany kosa ny Coach Arsène, ny taona 1993, tany Seychelles, ka nandrombaka ny medaly volafotsy. Torak’ izany koa ny tamin’ny Lalaon’ ny Nosy 1998, nahazoany ny medaly volafotsy ihany koa. Niitatra hatrany izy teo amin’
ny sehatra iraisam-pirenena ary efa niatrika fiadiana ny tompondakan’i Afrika maromaro, anisan’ny nisongadina ny nahazoany ny medaly volafotsy nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Kata, izay natao teto Madagasikara, ny taona 2017. Tsy voatanisa ny vokatra tsara azony, na ny teto an-toerana, na ny tany ivelany, ary tena azo lazaina ho mpikatroka nitondra avo ny voninahi-pirenena izy. Tsiahivina fa manana ny grady 5e dan izy ary nivoatra tao amin’ny Judo Club Saint Michel. Mpampianatra Judo, mpanazatra nasionaly, sekretera jeneraly teo anivon’ny FMJ, tale teknika, andraikitra efa nahitana an’i Maître Arsène avokoa ireo.
Mi.Raz




