Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ireo lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Senior, lehilahy. Hifandona ny HC Est Atsimo Andrefana sy ny Vasia Ihorombe, ny HBC Cut sy ny Masôva ary ny ASRB sy ASSM. Eo koa ny Littoral SC sy ny HTHB.
Mitana ny laharana voalohany amin’ny “Ligue des Champions (LDC)”, ny ekipan’ny Bayern Munich, Alemainina, amin’izao fotoana. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1, ny klioban’ny Paris Saint Germain FC, Frantsa, afakomaly, tao Parc de Princes. Tsiahivina fa tsy mbola resy mihitsy ny Bayern Munich nandritra izay lalao 16 nataony izay.
Nahazo ny medaly alimo ny solontena malagasy, i Andri sy i Momi, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra faha-7, taranja Beach-Volley, notontosaina tany Comores, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa nihatsara ny vokatra ho azy ireo, tamin’ity fihodinana faharoa ity, raha oharina ny tamin’ny fihodinana voalohany.




