Notanterahina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny alahady teo, ny fifaninanana baolina kitra sokajy zandriny, U15. Fihaonana nokarakarain’ny Association des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Tanjona ny hifantenana mpilalao handrafitra ny Barea U15, hiatrika «Tournoi» tanterahina atsy Maurice, ny volana desambra ho avy izao. Nahatratra 32 ireo ekipa nifaninana tamin’ity ka nisy ny zazalahy ary teo koa ny zazavavy. Baolina kitra ho an’olona 9 no natao. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny vehivavy, ny Kicks FC. Nandresy ny UFA tamin’ny isa 1 no ho 0, izy ireo. Mbola tamin’io isa io ihany koa no nibatan’ny UFA ny amboara, teo amin’ny lehilahy, nandavoany ny UASFA. Voahosotra ho mpiandry tsatoby mendrika i Rovatiana (UFA). Mpamono baolina betsaka kosa i Ny Avo (Elgeco Plus) ary mpilalao tsara indrindra i Fetra (UASFA). Fanombohana ity fa hielipatrana manerana ny faritra 22 ny fifantenana, hoy i Garang, anisan’ny mpikarakara. Nohamafisin’i Christian Kely fa arahi-maso akaiky ny resaka fangalaran-taona ka fanadihadiana maro no natao. Teo ny fijerena ny taratasin’izy ireo any an-tsekoly, ny bokim-pianakaviana sy ny any amin’ny kaominina niaviany. Hialana ihany koa ny mety ho kolikoly mba hisian’ny baolina madio, takin’ireo mitady izany.
Tompondaka




