Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana raim-pianakaviana iray teo am-panaovana ny asany, tao amin’ny toerana fanaovany “soudure”, tao amin’ny fokontany Morafeno, Toamasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora. Voatrongin’ilay fiara ny garazy sy vavahady ary voatsindry tao ny moto iray teo amin’ny sisin-dalana. Raha ny angom-baovao, hanatitra mpianatra mihitsy ity fiara tra-doza ity ary nisy mianadahikely tao anaty fiara. Nieren-doza kosa ireto mpianatra ireto. Avy any Atsinanana, nikasa hihazo ny Valpinson ilay fiara. Tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana ka nifatratra tany amin’ny toerana fandrafetana vy. “Tapaka ny direction”, araka ny fanambaran’ny mpamily. Renim-pianakaviana mpiasam-panjakana no tompon’ny fiara ka ny mpamiliny no nitondra izany. Manahy ny mpanara-baovao fa misy asa tsy manaraka ny fenitra ataon’ny mpitsirika fiarakodia ao Toamasina. Vitaina amin’ny kolikoly fotsiny fa tsy misy fitsirihana ara-teknika ka mitera-doza.
Sajo




