Rugby – Randriamalala Jean Yves : « Fanamby hapetrakay ny hitondra medaly mody »

Hotanterahina any Dubai, ny 17-18 sy ny 24-25 janoary 2026, ny dingana roa voalo­hany amin’ny fifanintsanana “World Rugby Challenger Series”, ho an’olona 7, sokajy lehilahy. Ity fifaninanana ity izay dingana iray mankany amin’ny sehatra avo indrindra maneran-tany. Nambaran-dRandriamalala Jean Yves (Sprinter), fa hiezaka mafy izy ireo ny hampiakatra avo ny anaram-boninahitr’i Madaga­sikara. «Fanamby hapetrakay amin’ity ny hitondra medaly mody eto an-tanindraza­na. Hiezaka ny hibata izany mihi­tsy aza», hoy izy. Nilaza ihany ity mpilalao miavaka amin’ny hafainganam-pandeha ity fa vonona tanteraka ny mpilalao rehetra ary azo lazaina efa ao tsara ny fahaiza-miaraka, tsy nisy niova ihany koa ny mpi­lalao. Iray volana mahery teo izay ny Makis Sevens no nanao fanazaran-tena. «Mian­gavy sy miantso ny fitondram-panjakana izahay mba hijery sy hanohana tanteraka ny ekipa nasionaly. Satria, tsy mora ny zavatra hatrehinay any an-toerana. Mangataka ireo mpankafy Rugby ihany koa mba hanampy sy hitondra am-bavaka ny Makis, hahafahana manatratra ny tanjona», raha ny hafatr’i Jean Yves. Tsara ny mampahatsiahy fa efa manana ny lazany manokana eo amin’ny rugby lalao­vin’olona 7 i Ma­dagasikara. Nandrombaka ny medaly volafotsy, nandritra ny Can natao tatsy Maurice, ny vo­lana jona lasa teo ny ekipa mala­gasy.

Fitia Randria

Partager sur: