Fihaonana voalohany tamin’ny minisitra vaovao sy ireo filohan’ny oniversite no natao omaly, tetsy Fiadanana. Nijerena haingana ny vahaolana maika, toy ny jiro sy rano, izany.
Niompana tamin’ny fandaminana ankapoben’ ny tontolon’ny fampianarana ambony ny fihaonan’ ireo filohan’ny oniversite sy ireo tale jeneralin’ny IST. Fihaonana voalohany niarahana tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ihany koa.
Fivoriana faratampony manapaka ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony ny CPU. Voaresaka tamin’izany ny famaranana ny taom-pianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, miankina amin’ny toe-draharaha misy eny amin’ny Oniversite tsirairay.
Raha ny vina napetraka tamin’ny volana mey dia ny volana oktobra no tokony hifarana ny taom-pianarana, kanefa mbola misy ireo tsy nahavita izany.
Tapaka ihany koa fa hotanterahina ny 17 novambra 2025 ny fanaovana tombana ny fanadinana bakalorea 2025 hahafahana mijery ny lesoka tokony harenina, hanatsarana ny fiatrehana ny fanadinana manaraka.
Nodinihina niaraka ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ka hisitraka “Panneaux solaires” avokoa ny oniversite rehetra manerana ny Nosy. Ankoatra izay, ny famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny “forage”. Ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara no hiandraikitra manokana ireo tetikasa roa lehibe eny amin’ ny Oniversite ireo.
Hovatsiana fitaovana toy ny ordinatera sy “imprimante” ny oniversite, hanampy azy ireo amin’ny fandraharahana anatiny. Fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka no hanatanterahina izany.
Maro ny fanavaozana mila atao amin’ny sehatry ny fampianarana ambony ary mitaky fahasahiana ny fandraisana fanapahan-kevitra hirosoana amin’ny fanavaozana sy fanovana. Ampahany ihany ireo, nitondrana vahaolana amin’ity CPU ity.
Tatiana A




