Lapan’ny Tanàna : Manameloka ny fidirana an-keriny ny SACUA

Manoloana ny fidinana an-dalambe ataona vondron’ olona sy ny mpanao politika, manameloka ny fidirana an-keriny ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny sendikà mahaleo tena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Ren­ivo­hitra. Nambaran’izy ireo fa sokajina ho fanafihana Lapa ny fidirana an-keriny ao. Anja­ran’ny fanjakana ny miaro izany. “Tsy resaka fiarovana na tsia ny ben’ny Tanàna fa tsy ekena ny fidirana an-keriny ary tsy maintsy arovana ny kaominina, izay saro-pady”, hoy i Jaona Clément Nirin­tsoa, filohan’ny Syndicat autonome de la Commune Ur­baine d’An­tananarivo (SAC­UA), raha nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, tetsy Anala­kely. “Tsy manakana ny fanehoan-kevitry ny olona sy ny mpanao politika eto Antana­narivo izy ireo, fa azo atao ny maneho izany malalaka eo amin’ny Parvis sy eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey”, hoy ha­trany izy. Lavina kosa ny fidirana an-keriny ataon’ny olona ao amin’ny biraon’ny kaomi­nina. Nohamafisiny ha­tra­ny fa andraikitry ny kaominina ny miaro ny toerana ao anatiny fa anjaran’ny fanjakana no miaro ny any ivelany.
Ankoatra izay, nambaran’ izy ireo fa misy mikasa han­doro ny kaominina. Tsy tokony hiverina ny zava-misy ta­haka ny tamin’ny taona 1972 teo amin’io toerana io. Name­traka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana manoloana izany izy ireo.
Etsy an-kilany, mitaky ny hamerenana ny fitantanana ny Kianjan’i Mahamasina, Kian­jan’­Andohalo, Kianjan’­Antso­jombe, ny SMGD, amin’ny kao­minina ihany koa izy ireo.

Mino

Partager sur: