Handball – « Mada sénior» : Nihintsana ny THBC Analamanga

Notanterahina, omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja handball, sokajy Sénior. Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny sokajy vehivavy, satria lavon’ny Sifaka Amoron’i Mania ny THBC Anala­manga, anisan’ny ekipa goavana eto Madagasikara. Nion­drika tamin’ny isa tery, 21 no ho 20, ireto farany. Niady hatramin’ny farany ny lalao ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery. Nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Efa tany amin’ ny segondra farany vao nivoaka ho mpandresy ry zareo avy any Amoron’i Mania.
Ankoatra izay, manohy ny lalany ny My-Sah Itasy, raha nandavo ny HBC TB5 Atsinanana, tamin’ny isa mazava, 39 no ho 19. Nanatombo tamin’ny fahaiza-manao ny ekipan’ Itasy. Hita ny elanelana teo amin’ny roa tonta tamin’ny tanjaka sy ny taktika. Nitarika hatrany ny My-Sah tamin’isa. Ho an’ny vokatra hafa, tsy nahasakana ny TMI Ihosy ry zareo HCT Bongolava. Nisaraka tamin’ny isa 53 no ho 12 ny fihaonana teo amin’izy ireo.

Tompondaka

Partager sur: