Hifarana anio ny fihaonamben’ny fanatanjahantena maneran-tany. Fihaonana notanterahina tany Rosia, nanomboka ny 5 novambra lasa teo. Niatrika izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy sy ny sekretera jeneraliny. Lohahevitra maro no nodinihina nandritry ny hateloana nanatanterahana ny hetsika.
Notontosaina nanomboka ny 3 novambra lasa teo hatramin’ny anio, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany amin’ny taranja judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Manana solontena 7 i Madagasikara, ka saika efa nahavita ny anjarany avy. Nihintsana tamin’ny ady voalohany sy tafapetraka eo amin’ny laharana fah-7 ireo Malagasy mpikatroka.
Nanomboka ny alarobia lasa teo ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 17 taona. Natao hanomanana ny lalao afrikanina ho an’ny Tanora, hotanterahana any Luanda, Angola, ny tapaky ny volana desambra 2025 izy io. Mpilalao, lehilahy 22 sy vehivavy 20, no miatrika izany eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano.




