Na tsy manana lalao hatrehina intsony aza ny Barean’ i Madagasikara, hiatrika fihaonana ara-pirahalahiana sady fitsapana izy ireo. Io no fantatra raha ny fampitam-baovao tao amin’ny tambajotran-tseraseran’n Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nivoaka omaly.
Hifanandrina amin’i Guinée Equatoriale ny Barea ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao. Lalao hotanterahina ao Antalya, Turquie. Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ ny datin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) izany fihaonan’ny roa tonta izany. Andrasana izay ho firafitry ny mpilalao ho antsoin’i Corentin Martins, mpanazatra, amin’io lalao io. Heverin’ny rehetra fa tokony ho maro an’isa ireo mpilalao avy eto an-toerana, sady hitsapana azy ireo.
Tsy ekipa vaovao amin’ny Barea akory ny ekipan’i Guinée Equatoriale fa efa nifanehatra tamin’ny Malagasy matetika. Lalao ofisialy avokoa izany, izay miisa 4. Raha ny antontanisa, fandresena telo ho an’ny Barea ary iray ny an-dry zareo Gineanina. Ny taona 2011, fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial”. Ny 11 novambra lavon’i Guinée Equatoriale, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Barea. Ny 15 novambra, resin’i Madagasikara, 2 no ho 1, ry zareo, Ny 13 oktobra sy ny 16 oktobra 2018, indroa resin’ny Barea ry zareo. Samy lavo tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 avokoa.
Tompondaka




