Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpanohana ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Anosizato Andrefana sy ny mpitaky ny hialany, omaly. Am-polony ireo naratra teo amin’ny loha vokatry ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny samy mponina.
Misesisesy ny fidinana an-dalambe ataon’ny olona, amin’ny fanalana sy fanonganana ny ben’ny Tanàna, raha ny zavatra hita tato ho ato. Anisan’ny nahitana izany ny tetsy Anosizato Andrefana, omaly atoandro. Nidina an-dalambe ireo andian’olona tsy mankasitraka ny ben’ny Tanàn’Anosizato Andrefana, Andrianjafy Elidiot. Nihazo ny biraon’ny kaominina izy ireo. Etsy ankilany, maro koa ny tsy nanaiky izany, ka nidina an-dalambe sy nitondra sorabaventy ihany koa. Tsy miala ny ben’ny Tanàna ary tsy manaiky ny fanonganana izy ireo, raha ny hita nandritra ny hetsika. Nitohy ny dia ary nifanena teo amin’ny arabe manakaiky ny biraon’ny kaominina ny roa tonta. Raikitra ny fifampihantsiana ary niafara tamin’ny fifamonoana sy ny fitoraham-bato izany. Nifanenjika ireo andian’olona nanao fihetsiketsehana. Nanomboka ny tora-bato sy ny daroka ary ny vono teo amin’ny samy sivily. Nisy tamin’ny ankamaroan’ny olona no nampirisika. Vokany, am-polony ireo naratra voadaroka sy voatora-bato. Efa nentina any amin’ny hopitaly avokoa ireo naratra, taorian’ny tranga.
Nandamina ny polisy kaominaly
Nanaraka sy nanara-maso ireo mpanao fihetsiketsehana teny an-toerana ny polisy kaominaly miasa eny an-toerana. Niezaka nanasaraka ny fifandonana sy nandamina ny teny an-toerana izy ireo. Mbola nisy hatrany anefa andian-jatovo nifamono sy nanohy ny tora-bato. Tsy manakana ny olona haneho hevitra sy hidina an-dalambe ny ben’ny Tanàna fa efa fantatra fa rivotra mitsoka ankehitriny. “Tsy hoe tsy mahavita ny asany ny ben’ny tanàna ny antony fa hoe miala Rajoelina sy ny forongony, ka izay no voizin’ny olona amin’izao fotoana izao”, hoy ny ben’ny Tanàn’Anosizato Andrefana raha nanao fanambarana. Nilaza kosa ireo mponina eny an-toerana fa manohana ny ben’ny Tanàna izy ireo satria maro ny zavatra vitany teo an-toerana. Mitaky ny hanatsaharana ny fitakiana sy fikasana hanonganana io ben’ ny Tanàna io izy ireo.
Mino




