Hamerina ny hasin’ny mpampianatra ny fanovana entina. Manaporofo izany ny fifanekena voarakitra sy nifaranahana tamin’ny fanjakana. Miverina miasa daholo amin’izay ny mpampianatra.
Nanapa-kevitra ny hiverina mampianatra amin’izay ireo mpampianatra nitokona. Hiverina an-dakilasy hampianatra izy ireo amin’ny alatsinainy ary mampahafantatra izany amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny.
Niravina ny olana satria voarafitra ny fifanarahana na “protocole d’accord” momba ny fitakiana ny zon’ny mpampianatra. Niarahana tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Hanitriniaina Elis Karena, sy ireo solontenan’ny sendikà maromaro izany. Teo ny vondron’ny mpanabe Mijoro (VMM), ny mpanabe manova Ifotony (MMI), ny avy amin’ny École normale supérieure (ENS), ny Fram…
Tafiditra anatin’ny fifanarahana ny fampidirana ho mpiasam-panjakana ireo nahavita fianarana avy amin’ny ENS, ireo nahavita fiofanana avy amin’ny CFPRP, ireo mpampianatra Fram. Eo koa ny “intégration systématique” ho an’ireo mpiasa nahavita 6 taona, ny fampiakarana ny “indemnité de craie” sy ny “indemnité de logement”…
Olana efa am-polo taona maro no itondrana fanovana ary efa nampitaraina ny mpampianatra. Misy ireo nandany ny androm-piainany tamin’ny fampianarana kanefa tsy nety tafiditra ho mpiasam-panjakana mandra-pahafatiny.
«Asa masina sy mitaky finiavana ny fampianarana. Tsy ny rehetra no mahavita mampianatra fa olona voaofana sy manana fikirizana ary mahafoy ny fotoany ho an’ny zanaky ny hafa mihitsy aza», hoy ireo mpampianatra nandrafitra ity tondrozotra ity.
Rariny raha haverina amin’ny hasiny ny mpampianatra mpanabe satria izy ireo no fototry ny famolavolana ny hoavin’ny taranaka.
Tetsy andaniny, nanome toky ny minisitry ny Fampianarana teknika fa hisitraka ireo tombontsoa nanaovana fanovana ireo ihany koa ny mpampianatra amin’ny sekoly teknika sy ny mpampiofana ara-kasa rehetra manerana ny Nosy.
Tatiana A




