Fivarotana sigara sy toaka: Voarara ny fanaovana dokambarotra sy fanentanana

Maro ny zavatra tsy azo atao momba ny fanjifana sigara sy paraky eto Madagasi­kara. Anisan’izany ny tsy fahazoana mifoka sigara eny amin’ny toerana ivezivezen’ny olona. Tsy fahafahan’ny ankizy latsaky ny 18 taona mividy sigara. Tsy fahafahana manao dokambarotra amin’ny fivarotana ireo vokatra ireo.
Tsy azo atao ny manentana na mandoka mapirisika hanjifa ny sigara, indrindra ny toaka, araka ny And.8 ao amin’ny fanapahana iraisan’ny minisitera lah.18.171. “Mbola misy sy maro anefa ny mpivarotra na orinasa manao izany dokambarotra izany eto amin’ny Nosy”, hoy Ratsimbazafy Eugene, filohan’ny Vondrona miaro ny mpanjifa. “Efa mandika lalàna izy izay rehefa manao fanentanana ka aleo hampiharina aminy ny lalàna”, hoy izy nanamafy. “Izaho mi­hitsy no hitondra azy any amin’ny tomponandraikitra mahefa rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena malagasy raha mandika lalàna izy ireny”, hoy izy. Nambarany fa hanjary mahazo lesona amin’izany ny olon-drehetra ka lasa maro ny handika lalàna amin’ny fivarotana sigara sy toaka.
Marihina fa mahatonga ka­razana aretina maro ny fifohana sigara sy fihinana paraky. Ani­san’izany ny homamiadan’ny avokavoka, aretin’ny taovam-pisefoana sy ny maro hafa. Ta­fakatra 20 hatramin’ny 30% ireo mpifoka sigara sy mpihinam-paraky maty noho ny aretin’ny homamiadan’ny avokavoka, raha ny antontanisa na­voakan’ny OMS tamin’ny taona 2022.

Mino

Partager sur: