Noraisin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny tambajotran’ireo olona manana fahasembanana, omaly. Teo koa ny federasionin’ny olona manana olana ara-pihainoana niaraka tamin’ny solontenan’ireo mpandika teny tanana. Maro ny lohahevitra niaraha-nidinika ka anisan’izany ny fampitomboana ireo mpanao dikanteny tanana amin’ny haino aman-jery.
Manamarika ny faha-40 taona nijoroany ny Akanin’ny Marenina amin’ity taona ity. Maro ireo mpianatra efa nandalo tao. Tsy ny mpianatra manana olana amin’ny fahenoana ihany no mianatra ao ankehitriny fa mandray ireo mpianatra rehetra koa ity ivontoerana ity.
Natao tany Toamasina ny andron’ny Neurochirurgie andiany faha-20. Eto Madagasikara, 16 ihany ireo manam-pahaizana momba ity fitsaboana ity ka ny 3 amin’ireo no profesora. 7 ihany koa ny sampandraharaha misahana ny vonjy aina mifandraika amin’ny AVC sy ny fivontosana…




