Barean’i Madagasikara : Roa ihany ny mpilalao avy eto an-toerana

Mpilalao 22 nantsoin’i Corentin Martins, hiatrika ilay lalao ara-pirahalahiana, hihaonana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao.

“Roa ihany !” Raman­dimbi­soa Michel, na i Toldo, sy Rabema­nan­tsoa Radoniaina, no hany mpilalao avy eto an-toerana, tazana anatin’ny lisitry ny Barea A, nivoaka omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Mitotaly 22 ny mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra Barea A, hiatrika ny fihaonana ara-pirahalahiana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao.
Araka ny fanadihadiana natao, noho ny tsy fanombohan’ny fifaninanana eto Mada­gasikara no nampihena ny isan’ireo avy eto an-toerana handrafitra ny Barea. Tsy ta­zana anatin’izany lisitra izany i Marco Ilaimaharitra raha toa ka niverina i Thomas Fontaine sy Mathieu Acapandié ary i Hakim Abdalah.
Natao hanomanana ny fi­fanintsanana “Can 2027” ity lalao ara-pirahalahiana ity, sady hahazoana isa amin’ny filaharan’ny Fifa. Hatreto, tsy mbola voafaritra mazava ny daty hiaingan’ny delegasionina malagasy mankany an-toerana.

Tokana ihany …

Tokony hanana lalao ara-pirahalahiana roa ny Barean’i Madagasikara, ankoatra ity fi­­haonana amin’i Guinée Equa­­toriale ity. Raha ny fantatra teo aloha, dia efa vonona ny hifandona amin’ny ekipa na­sionaly malagasy i Kenya, saingy tsy raikitra izany. Tsy nisy nahafantatra ny tena antony nanajanonana io lalao io ny mpankafy. Hatreto, mbola mitana ny laharana faha-106 ny ekipam-pirenena malagasy. Ny 19 novambra ho avy izao, hivoaka indray ny filaharan’ny Fifa vaovao.

Fitia Randria

Lisitr’ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara :
Mpiandry harato : Zakanirina Rakotoasimbola (As Marsouins), Geordan Dupire (FC Swift Hesperange), Michel Ramandimbisoa (Elgeco Plus)
Vodilaharana : Sandro Tremoulet (FK Radnik Surdulica), Eshan Kari (Étoile FC – Fréjus-Saint Raphaël), Andy Pelmard(Jagiellonia Białystok),Thomas Fontaine (Goal FC), Morgan Jean Pierre(Fleury FC), Ryan Ponti(Rodez Aveyron Football), Mathieu Acapandié(FC Nantes), Radoniaina Rabemanantsoa(AS Fanalamanga)
Afovoany : Nicolas Randriamanampisoa (Al Merreikh), Clément Couturier (Thionville), Rayan Raveloson(Young Boys), Lalaina Rafanomezantsoa (Paradou Athletic Club), Tommy Iva(Créteil Lusitanos), Johan N’zi
Lohalaharana : Hakim Abdallah(UTA Arad), Arnaud Randrianan­tenaina(El Gouna FC), Njiva Rakotoharimalala(Ratchaburi FC), El Hadary Raheriniaina(Valenciennes FC),Warren Caddy (FC Stade Lausanne-Ouchy),Bryan Adinany(K. Lierse S.K)

Partager sur: