Rugby – “XXL Top 12”: Donan’ny samy kartie ny an’ny CEA sy TFA

Hiditra amin’ny andro fa­ha­roa ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby D1 “XXL Top 12”. Fi­hao­nana hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso 9 novambra. Lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny CEA Andra­no­manalina sy ny TFA Anati­hazo. Donan’ny samy kartie ary heverina ho toy ny famarananakely mihitsy. Tsy hifampikoso-maso ny roa tonta satria efa ela nifampiandrasana.
Efa nifampitana izy ireo tao anatin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana ka nivoaka ho mpandresy ry zareo Ana­tihazo. Hanala vela izany, amin’ity, Andranomanalina, ahitana ireo mpilalao sangany amin’izao fotoana izao, toa an-dry Romeo, Jean-Yves, Julio, Mika mpilalaon’ny FTM teo aloha. Etsy ankilany, efa mampiakatra ireo mpilalao tanora ao aminy izay novolavolaina hatry ny ela ny TFA. Heverina izany fa ho resy izay ratsy fanomanana amin’ity. Mbola ady tsy vita ihany koa ny an’ny Uscar kaominina sy ny USA Ankadifotsy, izay miverina amin’ny heriny tanteraka ankehitriny. Ankoatra izay, hifanandrina amin’ny Cosfa (Bebaoty) ny STM (Sa­vony). Fihaonana hipetrahan’ ny lojika satria raha ara-taratasy aloha ambony ny Bebaoty. Hanokatra ny lalao rehetra ny an’ny D1, sokajy vehivavy, hi­fandonan’ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro.

Tompondaka

Partager sur: