Nifanenjehin’ny mpitandro filaminana, maty voatifitra ny telo tamin’ireo jiolahy dimy saika hanafika teny Ambohimanambola.
Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Ambilomaro, kaominina Ambohimanambola, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 9 novambra lasa teo. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimanambola fa misy andian-jiolahy mikononkonona fanafihana mitam-piadiana eny an-toerana. Mpandraharaha iray ao anatin’io fokontany voalaza io no nokendren’ireo olon-dratsy. Nanidy ny kizo ahina ho fieren’ireo mpanao ratsy avy hatrany ny ekipan’ny zandarimaria notarihin’ny Lietnà, kaomandy lefitry ny vondron-tobim-paritra Mandoto, tamin’ny 8 ora alina. Nifanehatra tamin’ireo mpanao ratsy izay nikasa hanafika ilay mpandraharaha avy nivarotra ny zandary. Nampiasa fitaovam-piadiana ny jiolahy ka namaly tifitra ny zandary. Vokany, maty voatifitra ny telo lahy tamin’ireo mpandroba. Tafatsoaka ny roa lahy naman’ireto farany. Latsaka teny amin’ireo lavo ny basy maherivaika fampiasan’izy ireo manao asa ratsy. Mitohy ny fikarohana ireo nandositra.
Tsiferana R.




