Tambajotra Qnet : Olona 25 voasambotra, nisoloky 3 tapitrisa Ariary

Mahatratra 25 ireo olona voasambotry ny polisy ao Ma­hasalama, Port-Bergé, faritra Sofia, nanomboka ny volana oktobra hatramin’ity volana novambra ity. Voasambotra ny 03 novambra lasa teo ny valo amin’izy ireo. Izay nahitana mpitantana telo sy mpikambana dimy. Voarohirohy amin’ny asa fisolokiana ao anatin’ny tambajotra Qnet izy ireo. Tambajotra malaza amin’ny fanaovana asa fanambakana sy fakàna vola amin’ny alalan’ny fidiram-bola sandoka. Mitentina hatramin’ny 3 650 000 Ariary ny vola alain’izy ireo amin’ireo tanora lasibatra. Ampanantenaina tombony amin’ny alalan’ny fanangonana mpikambana vaovao aorian’izay. Tafiditra amin’ny ady amin’ny asa fisolokiana izao hetsika izao. Tsiahivina fa na­nomb­oka ny volana oktobra ny fisamborana ireo olona ireo. Tra-tehaka tamin’ny 28 oktobra 2025 tao amin’ny fokontany Ankorovaka ireo olona 13 voalohany. Hita teo am-panarahana fiofanana mahakasika ny asa ratsy ireto farany. Nampi­risika tanora hiditra ao amin’ny tambajotra izy ireo. Nitohy ny fikarohana ary olona efatra hafa voasambotra. Efa nisy ny natolotra ny fitsarana Pac Mahajanga tamin’ireo voarohirohy ireo. Misahana ny raharaha ny police judiciaire ao Mangari­votra, Mahajanga. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo mbola mpiray tsikombakomba sy tompon’antoka amin’ity asa fisolokiana ity.

Mino

Partager sur: