Raikitra ny sakoroka tao amin’ny efitranon-danonana, ao amin’ny fokotany Ranomena, komininina Toamasina, ny alin’ny asabotsy 8 novambra hifoha ny alahady teo. Nifamaly noho ny resa-behivavy ireo roa lahy. Naharitra izany ka niditra an-tsehatra ny akaman’ ireo mpifanandrina, andaniny sy ankilany. Vokatr’ izay, raikitra ny fifandratrana. Voadaroka mafy, naratra ka tsy tanà ny ain’ny lehilahy iray. Nandositra ny nahavanon-doza. Tetsy ankilany, hitan’ireto namany fa tsy avotra intsony io lehilahy voa mafy io. Nanohy ny fikarohana ireo nahavanon-doza manerana ny fokontany Ranomena izy ireo. Tsy naharitra ela izany, raikitra ihany koa ny fifandonana teny anaty ala ary niafara tamin’ny fahafatesan’
olona iray hafa koa izany. Nambaran’ny fokonolona fa nisy zandary manara-maso ny filaminan’ny alim-pandihizana tao an-toerana, saingy tsy afa-nanao na inona na inona. Efa tao anatin’ny fandraisana zava-pisotro mahamamo ireto farany, hoy ny loharanom-baovao.
Mbola mifampihantsy aorian’ny fandevenana ny namany avy ireo andian-jatovo ka ho hita eo izay tohiny.
Sajo




